Tontosa ny faran’ny herinandro, tao amin’ny kaominina Evato, distrikan’i Farafangana, ny fanamafisam-pihavanana teo anivon’ny fikambanana Tohitroky, ivondronan’ny foko valo.
“Sarobidy amiko ny fihavanana. Raha tsy mihavana sy mifankatia isika, tsy handroso izany i Madagasikara. Nozarazaraina isika nanomboka tany amin’ny fanjanahantany.” Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fitsidihan’izy mivady tao Tohitroky Evato, Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ ny fanatrehana ny fanamafisam-pihavanana eo amin’ny foko valo any an-toerana. Eo ny foko Zafisoro, Antesaka, Rabatsara, Savoay, Zaramanampy, Zarafanilia, Antevato, Betsileo.
Nisaorany ireo foko nanao izao fanamafisam-pihavanana izao. Satria zava-dehibe ny fihavanana. Aza mety zarazarain’ny olona… Rehefa niditra teto Madagasikara ny vazaha mpanjanatany, tamin’ny 1896, nampihatra ny hoe: “Zarazarao hanjakana.” Mbola izay no iainana amin’izao. Mbola mizarazara sy manaiky zarazaraina… Ampiadian’ny olona. Izay no mampahantra. Izay no mahatonga an’i Madagasikara tsy mety mandroso. Aoka tsy hozarazaraina koa amin’izao fotoana izao. Ny mpanao politika ihany no mampizarazara. Ao anatiny izy, araka ny nambarany. Miaraka mifampitantana sy mifankatia mampandroso ny tanàna…
“Izaho, tsy Avi aho, fa ny asa vita no ifampitsarana”, hoy izy. Natao ny fitokanana lalana 5,2 km izay misy rarivato ary ao ny vita tara. Nanolotra vola 50 tapitrisa Ar ho solon’omby ho an’ny ampanjaka sy ny tanàna amin’ny fanamafisam-pihavanana ny filoha. Teo koa ny fanoloran’ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ ny Fahasalamana, fiara tsy mataho-dalana enina ho an’ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka sy moto 115 ho an’ny fitaleavam-paritra Atsimo Atsinanana.
R. Nd.




