KMF/Cnoe: “Tokony hiainga any ifotony ny fifidianana”

“Tokony hiainga any ifo­tony ny fifidianana”, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fa­na­beazana olom-pirenena, i Namearison Robert, ny faran’ ny herinandro teo, ny amin’ny hoe fanatanterahana fifidia­nana voalohany amin’ny jolay 2027. Raha milaza ny lalàmpanorenana fa vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ny fokontany, miainga amin’izay ny fifidianana. Hatramin’izao, tsy fantatra izay lalàmpanorenana ho voafidy eo. Hama­fisina fa zon’ny olom-pirenen ny misafidy ny lalàmpanorenana. Mila haroso amin izany avokoa ny endrika volavalon-dalàmpanorenana mety sy azo tanterahina hitondrana an’i Madagasikara. Safidin’ny Malagasy izay amin’ny maha tompon’i Madagasikara azy.
Raha ny lalàna manankery hatramin’izao, ny Ceni no mano­lotra volavolana tetiandrom-pifidianana ary ny go­ver­nemanta no manapaka. Azo tanterahina na tsia ny fifidianna voalohany amin’ny jolay 2027, ny Ceni no manolo-kevitra ary ny governe­manta no mandany. Na tsy nisy sonia nifanaovana aza, nifanarahana fa hatao ny fi­kaonandoham-pirenena isan’ ambaratonga. Izay no hama­ritra ny lalàmpanorenana sy lalàm-pifidianana vaovao ary ny fomba hanaovana ny fifidianana. Amin’izay jolay 2027 izay, ao anatin’ny fifidianana tokony hatao ny fitsapankevi-bahoaka na ny fifidianana lalàmpanorenana. Raha izay lojika izay, ny fitsapankevi-ba­hoaka na ny fifidianana lalàmpanorenana no hatao voalohany. Vita izay vao hapetraka ny rafitra rehetra. Raha milaza, ohatra, ny lalàmpanorenana fa misy ny Ceni dia hapetraka izany, araka ny fikaonandoham-pirenena. Amin’ny alalan’izay no hamo­ahany ny an­tsipiriany momba ny fifidia­nana.

R. Nd.

Partager sur: