Mpiaro ny zon’ny mpanjifa: “Malalaka ny safidy “

” Fotoana mahamety azy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana momba ny fampiatoana vonjimaika ny haban-tseranana sy hetra amin’ny vary hafarana”, hoy ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Tsy mbola mahasehaka ny filàna ny vokatra eto Madagasikara. Antony nahatonga ireo fikambanana niray feo tamin’ny fanjakana. Nambaran’izy ireo fa hanamafy ny fitsinjovana ny mpanjifa izany ka hanome safidy malalaka ho azy ireo amin’ny vokatra jifainy, na amin’ny vidiny io na amin’ny kalitao. Ankilany, “hanome vahana ny fifaninanana ny fampitsaharana ny fakàna hetra amin’ny vary hafa­rana saingy ilaina ny mijery lavidavitra”, hoy ny filohan’ny fikambana miaro ny zon’ny mpanjifa, Ratsimbazafy Eugène. Notohizany fa tsara kokoa ny mampitombo ny vary vokatra eto an-toerana, hialàna tsikelikely amin’ny fanafarana. Ankoatra izay, hanara-maso ny vidim-bary tsy hisian’ny fanararaotana ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Tsiahivina fa miisa 10 ny vondrona niray feo tamin’ny fanja­kana dia ny MZMM, AVDCC, Garduc, Fimzompam, Fimpa, RNDC, Fimpama, Scae-PC, FOMZMPM, VONZOM.

Henintsoa

Partager sur: