VAOVAO TAMBATRA

Hampiroboroboina ireo seranam-piaramanidina tantanin’ny Adema SA. Fantatra izany nandritra ny fampitana am-bava natao teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, ny herinandro lasa teo. Tafiditra ao anatin’ ny asa ny hanamafisana ny fiarovana sy ny fotodrafi­trasa any amin’ireo seranam-piaramanidina. Miisa 55 ny seranam-piaramanidina tantanin’ity orinasam-panjakana ity, ankoatra ny eto Antananarivo sy Nosy Be izay tantanin’ny orinasa Ravinala Airports.

Nojerena ny lafiny famotsiam-bola amin’ny sehatry ny fitaterana. Anisan’izany ny fampitana ireo tranga maro mampiahiahy. Nampitoviana koa ny fomba fijery sy ny soatoavina. Nivoitra izany nandritra ny fihaonana teo amin’ny tale jeneraly mpisolo toerana ny Samifin sy ny Mpandrindra ankapobeny ny fitsirihana sy ny fampiroboroboana ny famendrahana (CGPI) ao amin’ny minisiteran’ny Fitaterana, ny zoma lasa teo.

Andalam-pahavitana ny asa fanavaozana ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Nanomboka tamin’ny marsa 2025 ny asa ka anisan’ny nohavaozina ny toeram-piantsonan’ny sambo mirefy 255 m, ny toerana fitahirizana entana mahazaka 13 000 m3. Manodidina ny 2 000 ny sambo niantsona tany Mahajanga, ny taona 2024, nivezivezen’ny entana milanja 400 000 taonina. Ho tokanana tsy ho ela ity fotodafitrasa ity aorian’ny tena fahavitan’ny asa maika.

Partager sur: