Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, ny trano fandidiana sy trano fitobian’ny marary avy nodidiana ho an’ny CHRD Belo sur Tsiribihina. Dingana lehibe iray ho fanatsarana sy fanamafisana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny mponina izany.
Hanampy amin’ny fanakaikezana ny fitsaboana ara-pandidiana sy ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo marary ao amin’ny distrikan’i Belo sur Tsiribihina ity fotodrafitrasa ity. Hanala ny fahasahiranana ho an’ny vahoakan’i Belo satria eritreretina ho vita ao avokoa ny hamehana ara-pahasalamana mila fandidiana ka tsy voatery halefa ivelan’ny distrika. Fotodrafitrasa manana trano roa manaraka ny fenitra takin’ny fandrindrana nasionalin’ny hopitaly eto Madagasikara.
Ahitana efitra valo sy efitra roa natokana hisy ireo marary avy nodidiana ny fotodrafitrasa. Efa vonona ny herinaratra sy ny rano, ny fitaovana rehetra ary ny olombelona hampihodina ity fotodrafitrasa ity, tarihan’i Dr. Ernest Raharison,
Nanamora ny dingana rehetra ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny distrikan’i Belo sur Tsiribihina, Saory Christian. Tompon’antoka amin’ny fananganana fotodrafitrasa kosa ny fianakaviana Molou.
Vonjy




