Ny fandalovan’ny rindrin-drahona no hamaritra ny toetry ny andro any amin’ny Faritra atsimon’ny Nosy. Varatraza malefaka kosa ho an’ny any an-kafa. Tombanana hahazo vahana kokoa ny varatraza eto Madagasikara, manomboka ny alakamisy ho avy izao. Misy ny fampitandremana noho ny haavon’ny alondrano sy ny hamafin’ny rivotra, manomboka ny alarobia ho avy izao, any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy. Hisy fidinana misongadina ny maripana any
amin’ny morontsiraka atsinanana sy ny ilany atsinanan’ ny afovoantany, manomboka ny alakamisy. Manodidina ny 05 – 22 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 15 – 35 °C ny tolakandro.
Nanomboka ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambondro, ny fizarana fanampiana ho an’ireo tokantrano marefo, indrindra ireo fianakaviana manana zaza tratran’ny tsy fahampian-tsakafo sy ny tsy fanjarian-tsakafo ao amin’ny Faritra Androy. Fianakaviana 321 ao amin’ny kaominina Ambondro no nisitraka izany. Tafiditra ao anatin’ ny hetsika “Vonje Longo II”, tarihin’ny BNGRC, izay mikendry ny hanohanana ireo fianakaviana marefo amin’ny alalan’ny fizarana vary izy io.
Notanterahina tao amin’ny KSLMD Andrainjato Fianarantsoa ny “Salon de l’étudiant” andiany faharoa, ny herinandro lasa teo. Tao amin’ny Maison de la culture Mangarivotra kosa izany ho an’i Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo. Tranoheva maro maneho ireo lalam-
piofanana samihafa amin’ireo toeram-pampianarana ambaratonga ambony miankina sy tsy miankina manana fahazoan-dalana (habilitation) no hita isaky ny hetsika.




