Betroka : Telo mianaka voatifitra

Naratra mafy voan’ny bala tao amin’ny faritry ny lamosiny ny zaza iray 5 taona, raha toa ka voa teo amin’ny tongony ilay zokiny 6 taona, tao amin’ny kaominina Isoanala, distrika Betroka, ny alin’ny alahady 23aogositra teo, tamin’ny 8 ora. Sendra alina ny raim-pianakaviana iray sy ny zanany roa vao tonga tao an-trano, tamin’io fotoana io. Nirefotra ny basy. Nikendry an’ilay rangahy ireo jiolahy, araka ny loharanom-baovao. Niaraka naratra avokoa anefa ireo telo mianaka nandritra io fanafihan-jiolahy io. Voan’ny bala teo amin’ny feny ny rain’izy ireo. Nifamonjena nentina nihazo ny toeram-pitsaboana izy telo mianaka. Tsy misy hopitaly ahafahana mitsabo azy ireo ao Isoanala ka nentina niakatra nihazo an’i Betroka izy telo. Nivezivezy nanodidina ny trano talohan’ny nahatongavan’izy telo mianaka ny olon-dratsy, hoy ny loharanom-baovao. Tsy fantatra mazava ny tanjon’ireo tompon’antoka tamin’ity fanafihana mitam-piadiana ity. Tsy naka na inona na inona teny amin’ilay raim-pianakaviana sy ny zanany izy ireo. Nandositra vantany nahavita ny fitifirana. Karohina ny nahavanon-doza.

Tsiferana R.

 

Partager sur: