Politika avokoa izay mitranga sy atao rehetra amin’ izao? Azo heverina ho misy antony amin’izany, na izay tsy inona aza. Na dika politika io, na vokatra politika. Ao anatin’ny zotram-pifidianana izao. Tsy azo ferana tsy handeha amin’izany ny fisainana sy fitsarana amin’izay mitranga sy atao rehetra, indrindra eo amin’ny mpanao politika. Misy efa miandry kendry tohina fotsiny? Mby amin’ny hoe mandeha eo aloha ny tena, toa hokaikerin’ny olona; mandeha eo aoriana, toa hanaikitra olona.
Zava-tsy inona akory amin’izao, mety hiteraka tsy fifankahazoana, fifamaliana, fifandirana. Na mivadika zavatra hafa tanteraka… Vao mainka izay iniana atao hanakorontanana fotsiny izao… Tsy izany ve, ohatra, ny fifandrozonan-kevitra amin’ity hoe: tokony hisy sa tsia ny fikaonandoham-pirenena? Toy izany koa ny amin’ny hanovana na tsia ny mpikamban’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sy ny Ceni, ny fanitsiana na fanovana ny lalàm-pifidianana… Ady fiady avokoa izany rehetra izany?
Na izany aza, atrehin’ireo mpitaky izany ihany ny fanomanana sy fiatrehana fifidianana. Akory atao rehefa tsy mahomby ny fitakiana? Politika io, arakaraka ny fifandanjan-kery. Ny fitondrana no matanjaka sa ny mpanohitra no malemy? Saingy mbola tsy mifarana tanteraka ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra. Hatramin’ny farany, tsy hipetra-potsiny amin’izao ny mpanohitra. Mahita holazaina sy hotsikeraina hatrany? Na hiady hatramin’ny farany na ho tonga amin’ny fanakorontanana aza, sanatria.
Izay no itandremana amin’izay lazaina sy atao. Tato ho ato, alefan’ny sasany indray ny hoe hametraka ny filoha lefitra fahafito eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny mpanohitra. Amin’ny fomba ahoana? Tsy maintsy havoaka, hono, ny didy fampiharana izany. Nahoana no izao vao takina izany? Efa hifarana ny fe-potoam-piasana… Efa tsy hita izay holazaina sy hotakiana? Na tsy mandaitra avokoa izay atao amin’izany hatramin’izay, na tsy hita izay hametrahan-tongotra… Ho tonga hatraiza?
Miankina amin’ny ataon’ny tena ihany ny mahasoa na maharatsy. Eo ny mpitondra, ny mpisehatra amin’ny fifidianana, ny olom-pirenena… Misy mora andairan-tsaho? Na fanatsatsoana, na famendrofendroana… Politika avokoa izay miseho sy atao amin’izao; eny, na ny tsy mihetsika sy mangina aza. Tsy midika avy hatrany hoe faharesena na fahatahorana. Tsy izay miteny matetika no hoe marina, na izay miteny mafy, na izay be vava… Misy manimba tena amin’izany? Potiky ny politika…
R. Nd.