Nahavita ny fiofanany mahakasika ny famokarana sy ny fahasalaman’ny biby (APPSA) ireo mpisehatra miisa 30 any amin’ny kaominina Bezaha, Faritra Atsimo Andrefana. Naharitra 21 andro ny fiofanana, ka ho lasa eo ambany fiahiana sy fanaraha-mason’ny dokoteram-biby na veterinera izy ireo. Novatsiana fitaovam-piasana tsirairay avy ireo mpisehatra, toy ny bisikileta, vatakely fampangatsiahana (glaçière), « seringue », fanjaitra, fitaovana madinika mitambatra ary fanamiana. Notsindrin’ny minisitry ny Fiompiana, Randrianomenjanahary Riana Nantenaina, nandritra ny famoahana azy ireo tamin’ny fomba ofisialy, ny 21 aogositra teo, fa dingana lehibe amin’ny fanatonana akaiky ny mpiompy sy fanatsarana ny fahasalaman’ny biby izao fametrahana ny mpisehatra APPSA eny ifotony izao.
Tanteraka ity fampiofanana ity, noho ny tohan’ny tetikasa Mionjo, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Mitotaly 1 381 ny APPSA efa miasa manerana ny Nosy, amin’ireo 3 322 ilaina. Mbola hitohy, noho izany, ny fametrahana APPSA manerana an’i Madagasikara.
Njaka A.




