Mandray anjara amin’ny World Water Week-end any Stockholm i Madagasikara. Fifanakalozan-kevitra mifantoka amin’ny fanamby sy vahaolana ho an’ny sehatry ny rano, fanadiovana ary fidiovana izy ity, indrindra ny anjara toeran’ny tanora sy ny fikojakojana fotodrafitrasa. Nohamafisin’i Madagasikara ny fahavononany hiara-kiasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena ho fanatrarana ny ODD 6, momba ny rano sy fidiovana ho an’ny rehetra.
Nampahafantatra ny fandaharanasa Accéléreo ny CCIA, omaly. Tetikasam-panjakana amin’ny alalan’ny tetikasa PIC ary tohanan’ny Banky iraisam-pirenena, mikendry ireo orinasa madinika misehatra amin’ny “agribusiness” sy ny niomerika izy io. Afaka misitraka tohana ara-teknika sy ara-bola 50 000 dolara ireo orinasa manana fidiram-bola 50 hatramin’ny 500 tapitrisa Ariary. Mifarana ny 1 septambra ny antso ho an’ny tetikasa.
Nisokatra ny 20 aogositra, tao Ambavany Sahavato, ny taom-piotazana dipoavatra ao amin’ny Faritra Vatovavy. Tanjona ny hanatsara ny kalitao sy hampitombo ny vokatra mba hanamafisana ny fifaninanana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Miara-mientana amin’ireo mpisehatra ireo tomponandraikitra samihafa, hanara-maso sy hiaro ny tombontsoan’ny mpamokatra.




