ONG Fami : Notohanan’ny minisiteran’ny Mponina

Ankizy manana fahasembanana eo amin’ny rantsam-ba­tana ambany no raisin’ny ONG Fami an-tanana sy tsaboina maimaimpoana, hatramin’ny fandidiana, raha ilaina, ao amin’ny CRMM Antsirabe. Hatramin’ny taona 1996, ankizy manodidina ny 400 no efa nahazo fitsaboana ka maro no efa sitrana tanteraka. Ho fanohanana azy, nanolotra tohana ara-tsakafo, kojakoja ilaina andavanandro ary fitaovana ho an’ny olona manana fahasembanana ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina.
Nanamafy ny fiaraha-miasa ny minisitra mpiahy, Rakotoniaina Voahanginirina, amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa hanohanana ny ivontoerana sy hanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo ankizy manana fahasembanana.
Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny vina napetraky ny filohan’ny Fanavaozana izao hetsika izao. Ho fampandrosoana mifototra amin’ny maha olona sy ny tsy fanavakavahana.
Ankoatra izay, tonga nitsapa alahelo sy nampahery ny fianakaviana ny minisitry ny Mponina sy ny ekipany raha vao nahare ny vaovao mampalahelo momba ny fahafatesan’izy mirahavavy teto Antananarivo. Miandry amim-pitoniana ny fanazavana ofisialy sy ny valin’ny fanadihadiana ataon’ireo tomponandraikitra ny rehetra.

Vonjy

Partager sur: