Nijery mivantana ny zava-misy sy ny fiantraikan’ny fandalovan’ny rivodoza Fytia teo amin’ireo fotodrafitrasa sy sekoly voakasika tao amin’ny Cisco Mitsinjo, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina, ny faran’ny herinandro teo. Teny amin’ny EPP Antongomena Bevary, Ambodimanga,CEG namakia ary EPP mitsinjo no nolalovany. Nanolotra fanitso 50 isa ho an’ny sekoly tsirairay avy ny tenany, ho fandraisana anjara amin’ny fanarenana sy famerenana amin’ny laoniny ny fampianarana.
Nisitraka fitaovana ara-panatanjahantena ihany koa ireo mpianatra eo anivon’ity Cisco ity.
“Vonona hatrany ny minisitera hijery akaiky ny lafiny maha olona sy ny fiahiana ireo mpiasan’ny fanabeazana”, hoy ny minisitra. Nampahatsiahiviny fa tsy azo leferina ny kolikoly, indrindra amin’ny fidirana ho mpiasam-panjakana, ka misy sazy henjana miandry izay rehetra voamarina fa mandika lalàna.
Mitohy ny fitsidihana ataon’ny minisitra eny anivon’ireo sekoly ao amin’ny Faritra Boeny sy Betsiboka. Nandalo tao amin’ny EPP Andranobevava, EPP, CEG, Lycée Antanimbary, EPP Marotaolana, CEG, Lycée Antsiafabositra ary EPP Ankazobe izy. Notsindriny manokana fa tsy azo ekena ny tsy fandraisana andraikitra, indrindra amin’izao fiatrehana ny taom-pianarana vaovao izao. « Zava-dehibe ny fitantanana sy fampiasana araka ny tokony ho izy ny tetibola natokana ho an’ny sekoly, hahazoana antoka fa mipaka amin’ny fanatsarana ny tontolo fianaran’ny ankizy sy ny kalitaon’ny fanabeazana izany », hoy izy.
Vonjy




