Hotanterahina ny 29 aogositra, eny amin’ny Unipod Tsimbazaza, ny Pôle entrepreneuriat 2026, hetsika natokana ho an’ireo tanora sy manana hevitra ka mikasa ny hamadika izany ho lasa tetikasa azo tanterahina. Karakarain’ny Maison de l’entrepreneuriat, hampivondrona ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny hetsika. Hisy tranoheva fampahafantarana, lohahevitra ho voaboasana, atrikasa, “Coaching” ary fihaonana amin’ireo orinasa sy mpiara-miombon’ antoka eny an-toerana. Anisan’ny lohahevitra horesahina ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA), ny famatsiam-bola ary ny “marketing” niomerika. Tanjona ny hanampiana ireo mpandray anjara handrafitra tsara kokoa ny tetikasany sy hahafantatra ireo rafitra fanohanana ary ireo fahafahana ara-bola misy. Ao anatin’ny fandaharanasa Itovia, izay vatsian’ny Agence française de développement (AFD) ary tanterahin’ny EDBM, ny hetsika. Kendrena ny hanamafisana ny fahazoan’ireo tanora sy vehivavy mpandraharaha ny fahaiza-manao, ny tambajotra ary ireo soa fanararaotra amin’ny famatsiam-bola.
Henintsoa




