Banky Foiben’i Madagasikara: Hametraka toeram-panangonana volamena

Miisa efatra ireo toeram-panangonana volamena ha­tsangan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) tsy ho ela, dia ny ao Ambilobe, Mae­vatanàna, Mananjary ary Miandrivazo. Ireto farany izay faritra anisan’ny be volamena eto Madagasikara. Tanjona ny hampitomboana ny tahirim-bolamena sy hanamafisana ny fanaraha-maso ny sehatra. Kendren’ny BFM ny hampiditra ireo mpitrandraka madinika ho eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna ka hahafahany miva­rotra ireo volamena amin’ny toerana azo atokisana sy hi­sorohana ny varotra tsy ara-dalàna. Mifototra amin’ny politika napetraky ny BFM na­nomboka ny taona 2023, ny tetikasa. Mikendry ny hampidirana ny volamena ara-bola (or monétaire) ao anatin’ny tahirim-bola vahiny an’ny firenena. Zava-dehibe amin’izany ny ahafahana manara-maso ny niavian’ny volamena sy hiantohana ny fahadiovan’ny vo­katra sy ny kalitaony.
Mikasa hanampy ireo mpitrandraka madinika sy hampanara-dalàna azy ireo koa ny BFM ka hampitombo ny fahafahany mampiasa tolotra ara-bola sy banky. Hetsika mifanandrify amin’ny fandahara­nasa PlanetGold Madagascar. Ankilany, mikendry ny hampiroboro ny fanabeazana ara-bola ho an’ireo mpitrandraka volamena madinika sy ireo vondrom-piarahamonina eny an-toerana ihany koa. Ha­nara-maso ny fiantraikany ara-toekarena sy ara-tsosialy ateraky ny fametrahana amin’ ny fomba ara-dalàna ny fitrandrahana volamena madinika sy amin’ny ambaratonga kely (Emape) ny BFM. Marihina fa manome asa mivantana ho an’ny olona manodidina ny 600 000 eto Madagasikara ity sehatra ity.

Henintsoa

Partager sur: