FFKM : Tafatsangana ny birao ho an’ny fikaonandoham-pirenena

Natolotry ny FFKM ofisialy teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, omaly, ireo mpikambana mandrafitra ny birao sy komity teknika hitantana ny Fikaonandoham-pirenena.

Mizara 4 mazava izay birao izay. Ahitana ny filankevi-pitantanana izay misy mpitantana 17. Ani­san’ny voatendry ao anatin’ny filankevi-pitantanana, ny Prai­minisitra teo aloha, Raman­dimbiarison Zaza sy ny mpahay toekarena, Zafima­hova Serge. Eo koa ny mpandrindra nasionaly, ahitana mpandrindra 8 mianadahy, ka i Ahmad Joseph no voatendry ho mpandrindra ankapobeny. Nambarany nandritra ny fandraisam-pitenenany fa “ny fotoana nihainoana ny vaho­aka no tsy ampy teto amin­tsika, ka anton’izao dinika izao izany”. Fanomezana sehatra hiteny no fotrotry ny dinika fikaonandoham-pirenena. “Tsy misy olona na rafitra iray afaka miteny fa mahavaha olana irery ary tsy sehatra natokana ho an’olom-bitsy ny dinika fa ho an’ny vahoaka malagasy rehetra”, hoy ha­trany ny nambarany. Nanome toky ny kaomity teknika tari­hiny fa tsy hiandany, hangarahara amin’ny fitantanana sy fandaniana ary hanao tatitra sy hanome lanja ny tamberina andraikitra napetraka tamin’ izy ireo. Ankoatra izay, misy koa ireo mpanolotsaina miisa 16, ka 8 notendren’ny fiangonana ary ny 8 kosa avy amin’ ny sampanasa foiben’ny FFKM. Ny filoham-piango­nana 4 mirahalahy mitarika ny FFKM moa no mpitarika ankapobeny ny fikaonandoham-pirenena.

Efa voafaritra ny tetiandro
Efa voafaritra ihany koa ny tetiandro. Ny 14 septambra no hanomboka ny dinika eny ifotony, ny 5 oktobra ny dinika kaominaly, ny 26 oktobra eny anivon’ny distrika ary ny 16 novambra ny eny anivon’ny faritra no hanomboka. Ny volana marsa 2027 kosa no hanatanterahana ny dinika nasionaly ary ny volana mey 2027 no hanolorana ny fehin-kevitra.
Fotoam-bavaka no nisantarana ny fotoana, omaly. Tao­rian’izay, nirosoana ny fampahafantarana ny filankevi-pitantanana sy ny mpandrindra nasionaly, ny foiben-toerana ary ireo dingana samihafa mahakasika ny fikaonandoham-pirenena. « Manomboka amin’ny tsirairay ny fanavaozam-pirenena », hoy ny filo­han’ny FFKM nandritra ny lahateniny.

Mi.Raz

Partager sur: