Nodimandry, omaly, ny filoha mpanorina ny antoko Udecma-KMTP, Randriamorasata Solo Norbert. Mpanolotsaina faratampon’ny tolom-piavotana (CSR) tamin’ny Repoblika II izy, ary tale nanorina ny gazety Fiaraha-miasa sady filoham-boninahitry ny Fikambanan’ny mpanao gazety zokiolona eto Madagasikara (AJDM). Nanao fandraharahana koa izy teo amin’ny sehatry ny fitrandrahana vato, fiompiana trondro sy tantely…
Foto-kevitra mazava no itondran’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, ny departemanta iadidiany vao nandray ny asany izy, araka ny fanambaran’ ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny “site-web”, omaly, manoloana ny fanelezana vaovao tsy marina momba azy. Eo ny famelany ny mpitsara hiasa an-kahalalahana hananan’izy ireo fahaleovantena eo am-panatanterahana asa.
Fotoana izao hijerena ny tena fanavaozana ny asan’ny mpirakidraharaha eo anivon’ny fitsarana, araka ny fanambaran’ny sendikàn’ny mpirakidraharahan’ ny fitsarana (SGM), omaly. Tsy azo sarahina amin’ireo olona miantoka ny fampandehanana ny fitsarana isan’ andro ny fahombiazan’ny mpirakidraharahan’ny fitsarana amin’ny asany: manoratra didim-pitsarana, ny matoan’ny didim-pitsarana…
Ny fanovana ny lalàmpanorenana no hamaranana ny hetsi-bahoka tamin’ny septambara 2025, araka ny nambaran’ny mpitarika ny Ivon’ny fanavaozana ny Repoblika (IFR), Rabetsitonta Tovonananahary, nanao fanazavan-kevitra teny ambany tanàna amin’ny boriborintany I, afakomaly. Tsy hisy fiovana ny fiainam-bahoaka, raha tsy miova ny lalàmpanorenana.




