Zaikaben’ny tanora ho an’ny fahitsiana : Hatao eto Antananarivo, ny 1 sy 2 oktobra

Hanatanteraka “Forum national pour la promotion de l’intégrité” ny Kaomity mitandro ny Fahitsiana (CSI), ny 1 sy 2 oktobra ho avy izao, eny amin’ny oniversi­ten’Antanana­rivo. Tohanan’ny Organisation internationale de la Fran­cophonie (OIF) sy ny Con­fédération Suisse ny hetsika. Misokatra ho an’ny tanora malagasy rehetra 18 taona ka hatramin’ny 35 taona monina eto Madagasikara izy ity. Hisy ny fifampiresahana sy adihe­vitra, fifanakalozana ary ny Village de l’intégrité mandritra izany. Eo koa ny fifaninanana nasionaly roa misokatra ho an’ny tanora. Ny fifaninanana famoronana sary famantarana (logo) ny Système anti-corruption (Sac) sy ny famokarana horonantsary fohy momba ny anjara andraikitry ny tanora amin’ny fampiroboroboana ny fahitsiana. Tsara ho fantatra fa hatramin’ny 1 septambra ho avy izao ny fe-potoana farany handefasana ny fangatahana handray anjara amin’ny zaikabe sy ireo fifaninanana roa voalaza ireo.
Ho an’ireo tanora voafan­tina avy any amin’ny faritra, hisy ny fandraisana an-tanana ny saran’ny fahatongavana eto Antananarivo, hahafahan’ izy ireo mandray anjara amin’ ny hetsika.
Raha hisoratra anarana, afaka mitsidika ny rohy https://shorturl.re/forumdesjeunes. Misy koa ny pejy fesiboky hanarahana ny andinidininy rehetra : https://www. facebook.com/csimada.

Vonjy

Partager sur: