INDRAY MIJERY

Nihena 2,24% ny taham-pahafahana nasionaly tamin’ ny fanadinana bakalorea, izay 48,49% raha ampitahaina
tamin’ny voka-panadinana tamin’ny taona 2025 izay naha­tratra 50,73 %. Anisan’ny anton’izany fidinana izany ny fanaraha-maso hentitra hampiakarana ny kalitao sy ny lanjan’ny diplaoma mivoaka, raha ny fanazavana.
Manoloana ny fihanaky ny aretina Ebola any amin’ ny firenena atsy amin’ny kaontinanta Afrika, manana adidy lehibe amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka mala­gasy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Noho izany, ampiharina avy hatrany ireo fepetra voalaza ao anatin’ny
« Note verbale » navoaka taorian’ny filankevitry ny minisitra izay manambara fa ireo olona avy any amin’ny faritra voaka­siky ny valanaretina, indrindra ny R.D. Congo dia tsy maintsy manao fitokana-monina mandritra ny 21 andro eto Mada­ga­sikara. Ankoatra izany, natsahatra ihany koa ny fanatanterahana iaraka (mission) any RDC ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana ho fepetra fisorohana ny fiparitahan’ny aretina.
Mpianatra 12 mianadahy, taona faha-5, ao amin’ny UFR Clermont-Ferrand-France, miaraka amin’ny mpampianatra roa ary manam-pahaizana manokana momba ny prothèse roa no tonga manao iraka fitsaboana nify ao amin’ny Faritra Analanjirofo. Ao Sainte-Marie izy ireo, ny 27 – 31 aogositra ary any Soanierana Ivongo, ny 1- 7 septambra. Tanjona ny hahazoan’ny mponina fitsaboana nify sy ativava, indrindra ireo mila fitsaboana sy fikarakarana manokana.

Partager sur: