Alliance Française : haverina indray ny AF Mobile

Nampahafantarina ny re­hetra nandritra ny valandre­saka ho an’ny mpanao gazety ny momba ny fiverenan’ny « AF Mobile ». Tanjona amin’ izao ny fanatonana ifotony ny vondron’olona tilin’ny Al­liance Française. Miaraka miasa hatrany amin’ny mpiray ombona aminy hatrany ity ivontoerana ity ao anatin’izao tetikasa izao.
Tao anatin’ny roa taona tsy nihetsehan’ny “AF Mobile”. Hiverina hitety ny sekolim-panjakana indray ity hetsika ity. Hanombohana azy, ny sekolim-panjakana eto Anta­nanarivo Renivohitra. Fiara lehibe mitety ny sekoly ny “AF Mobile”. Ny fampiroboroboana ny teny frantsay sy ny kolontsaina ary ny haikanto no tanjon’ny Alliance Fran­çaise. Izany rehetra izany anefa dia miaraka amin’ny fanabeazana sy fampianarana avokoa, indrindra ny ho an’ny tanora.
Tombony maro no hositrahan’ny sekoly lalovan’ny AF Mobile. Isan’izany ny fizarana kolontsaina vaovao ho azy ireo. Ankoatra izay, misy ny fizarana sy fifampizarana eo amin’ny mpianatry ny sekoly tsidihina sy ny tompon’andraikitry ny hetsika momba ny teny frantsay. Tanjona lehibe ny fanapariahana ny teny frantsay eny ifotony. Ny EPP eny Anosibe no hanombohana ny hetsika ao anatin’izao fi­verenany izao, ny sabotsy
25 febroary 2023. Antenaina ny hiitaran’ny hetsika amin’ny sekoly ivelan’Antananarivo fa mbola mijanona amin’ny sekoly eto amin’ny fari-piadidim-pampianarana eto Anta­nanarivo ihany izy hatramin’ izao.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: