Fankalazana ny 14 oktobra : Hampisehoana ny firaisankinan’ny Faritra Sofia

Ao anatin’ny dingana farany ny fanomanana ny fankalazana ny 14 oktobra 2026, izay hotanterahina ao Anahidrano, distrikan’ Antsohihy, Faritra Sofia.

Nambaran’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany, ny jeneraly Lylyson René de Rolland, izay mpiahy ny Faritra Sofia, niaraka tamin’ireo solom­bavambahoaka sy mpikambana ao amin’ny governemanta,  izany,  omaly. Tanjona ny hiantohana ny fahombiazana sy ny fandraisan’ny vahoaka anjara amin’ity hetsika sy daty ma­nan-tantara ity.
Tiana hasongadina ny tantara, ny firaisankina ary ny maha izy azy ny Faritra Sofia, miaraka amin’ny fiaraha-mientan’ireo tomponandraikitra sy ny vahoaka amin’ity fankalazana ity.
Hifantoka manokana amin’ ny fandrindrana ara-teknika sy ara-pitaovana ny fanomanana. Misy rahateo ny vinavina hanatanterahana “parade” miaramila lehibe, araka ny nambaran’ny fdilohan’ny Fa­navaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël. Noha­ma­fisiny fa daty roa no manamarika ny fahaleovantenan’i Madagasikara  dia ny 26 jona sy ny 14 oktobra, izay heverina ho daty nahazoana fahaleovantena ara-tantara.
Nosafidina hanaovana ny lanonana ny ao Anahidrano, Antsohihy, toerana manan-danja ara-tantara, satria fiavian’ny filoha Philibert Tsira­nana, filoham-pirenena voalohany teto Madagasikara.  Tsia­hivina fa ny 14 oktobra 1958 no nanambarana tamin’ ny fomba ofisialy ny Repoblika Malagasy, taorian’ny fitsapankevi-bahoaka tamin’ny 28 septambra 1958, izay nifidianan’ireo zanatany frantsay ny hiditra ao anatin’ny “Commu­nau­té française”.

Mi.Raz

Partager sur: