“Inona moa no tena nahatonga an’io? Tapaka ny fifampitokisana amin’ny rantsamangaikan’ny Ceni. Leo ny olona, nanomboka tamin’ny 2010 hatramin’izao, tsy mbola manana fahatokisana azy ireo.” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, manoloana ny fanakianana fa tsy mandray andraikitra ny antoko politika amin’ny fanabeazana sy ny fanentanana olom-pirenena hisoratra anarana amin’ ny lisi-pifidianana. Ao anatin’ny bokin’andrakitry ny antoko politika ny fanentanana ny olona handray anjara amin’ny fifidianana, hisoratra amin’ny lisi-pifidianana… Inona, ohatra, no nolazain’ny Ceni momba ny ordonansa? Nosoloina ny tomponandraikitra ao, nefa ry zareo ihany no eo. Eo ihany ny fomba amam-panao…
Tsy mahagaga izay: tsy tenenina fotsiny fa ny asa ataon’ny Ceni no mila aseho amin’ny olona hoe tena azo atokisana sy mendrika. Tsy mbola tonga amin’izay ny Ceni, ary betsaka ny antoko politika milaza hoe mbola mila fanamboarana lalina… Mbola mila fieritreretana be: hatao ahoana ny olona mikarakara fifidianana eto Madagasikara? Misy ny tetiandro tsy maintsy enjehina. Izay no voizin’ny Ceni hoe tsy maintsy atao ny lisi-pifidianana fa tara isika. Marina izany. Tara hatrany isika hatramin’izay, lasa krizy ny teto amin’ny firenena. Satria nangalatra ny Ceni. Fara faharatsiny, nangina teo anoloan’ny halatra. Na teo anoloan’
ny lalàna aza, nangina ny Ceni. Mety tsy mpanasazy izy, fa mba niteny ve tamin’ny filoha teo aloha nanao fampielezan-kevitra, izay fantatra fa anisan’ny antony lehibe iray hampiatoana azy amin’ny asany? Tsy niteny ny Ceni. Ahoana vetivety eo no hoe miova ny filohan’ny Ceni sy ny mpikambana dia lazaina fa mandalo fotsiny izany rehetra izany? Samy manana ny andraikiny…
R. Nd.




