Nisongadina tamin’ireo 35 nifaninana ireo tetikasa 16 mendrika sy voafantina nandritra ny fifaninanana nasionaly momba ny fahitanavao.
Fifaninanana niompana tamin’ny sehatry ny angovo, ny fanodinana sy fanamboarana vokatra avy amin’ny fambolena sy fiompiana ary ny fanodinana vokatra eto an-toerana ity natao ity. Miavaka sy mitondra vahaolana mifandray amin’ny filan’ny Malagasy sy fanamby ho an’ny fampandrosoana ny firenena ireo tetikasa 16 nisongadina. Tanjona ny hampiasana azy ireo ho loharanon-karena sy hanamafisana ny famokarana eto amintsika. Kendrena ny hanatanterahina izany sy hampifandraisana ireo tompona tetikasa amin’ny sehatry ny indostria sy ireo mpisehatra ara-barotra. Mba hahafahany manamafy ny fahaiza-manaony sy hisitrahany tantsoroka samihafa.
Fikarohana
“Manasongadina ny talentan’ny Malagasy ny fikarohana sy ny fitadiavam-bahaolana ho an’ny fampandrosoana ny firenena toy izao”, hoy ny tale jeneralin’ny “Office malgache de la propriété industrielle” (Omapi), Rafanotsimiva Naharisoa Oby, nandritra ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo tompona tetikasa voafantina, tetsy amin’ny Kianja Barea. Tanjona, hoy izy, ny hametrahana rohy hampifandray ny fahitanavao, ny famokarana ary ny tsena. Ankilany, hanohana sy hanome tantsoroka ho an’ireo tompona tetikasa ireo mpiara-miombon’antoka samihafa amin’ny fanatanterahana izany, ho an’ny fampandrosoana ny toekarena.
Henintsoa




