Mamatsy vola ny Fandaharanasa Plae-Pare ny banky alemà KFW. Fiaraha-miasan’ny governemanta malagasy sy ny governemanta alemana, miompana amin’ny fanohanana ny tantsaha ho fanatsarana ny famokarana ny fandaharanasa izy ity. Ho an’ny Faritra Betsiboka, mitotaly 1 085 ha ny velarantany voaarina sady voavoly hazo. Misy ny ala ho an’ny kaominina, fa ao koa ny fambolen-kazo ho an’ny mponina isan-tanàna. Fambolena alavadimboly, vilona ary hazo fihinam-boa no natao. Mahatratra 50% ny fandraisana anjaran’ny Plae-Prae, raha an’ny mpahazo tombontsoa kosa ny 50% ambiny. Mahatratra 450 ny isan’ireo mpahazo tombontsoa amin’izany.
Mbola mitohy ny fandaharanasa ka kendrena hiampy 1 426 ha ny velarantany vaovao ho voaaro sy voavoly hazo amin’ny taona 2027. Efa hita ny vokatra ho an’i Betsiboka. Mitombo ny velarantany rakotra ala, mihatsara ny fambolena sy ny vokatra ary mitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha sy ny isan-tokantrano.
Njaka A.




