Anisan’ny miara-miasa amin’i Madagasikara, amin’ny lafiny fanamboarana fotodrafitrasa i Egypte. Hita izany amin’ny fanamboarana ny lalana «Voie rapide», mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, ataon’ny orinasa Samcrete. Ho fanamafisana izany, natao Sonia, ny 25 aogositra teo, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) sy ny kaompania Egaad (Egyptian African Arab Co), vondrona orinasa ejipsianina. Tafiditra ao anatin’ny tohin’ny fitsidihana nataon’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tany Egypte, farany teo, ity fifanarahana ity. Manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta. Nilaza ny minisitry ny Asa vaventy, ny Dr Rafefimanana Sambilason Richard, fa tsy vao izao ny fiaraha-miasa tamin’Egypte fa efa an-taonany maro. Ho tohizana izany, indrindra amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fotodrafitrasa eto Madagasikara.
Efa vita ny 46%
Anisan’ireo orinasa lehibe ao anatin’ny vondrona Egaad ny Samcrete Engineers Contractors. Mitohy ny asa fanamboarana ny lalana mankany Toamasina, ka tafiditra ao anatin’ny ampahany voalohany, ny miainga eo Ambodifasina hatrany Anjozorobe, mirefy 80 km. Efa vita hatrany amin’ny 45,8% ny asa.
Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Fanavaozana, tsy arabe migodana ity lalana ity fa lalana manafaingana ny fifamoivoizana (voie rapide). Hanamora ny fitaterana entana entin’ireo fiarabe izy ity, satria maro loatra ny mampiasa ny lalam-pirenena faharoa, manafaingana ny fahapotehany.
Njaka A.




