Maro ny sekoly handray anjara : 22 marsa ny Taombaovao Malagasy

Ny 21 marsa amin’ny 8 ora sy 24 mn alina no tsinana ao amin’ny antokon-kitana alahamady ny volana. Ny 22 marsa, andro voalohany amin’ny vo­lana alahamady. Ala­hamady, volana voalohany amin’ny taona. Fantatra fa amin’io andro io no hankalazana ny Taombaovao Mala­gasy, ho an’ity taona ity. Fotoana fahavokaran’ny vary, mampiakatra ny voly eny an-tsaha…
Na tsy mbola voasokajy ho anisan’ireo vanim-potoana tsy hiasana eto Madagasikara aza ny Taombaovao Mala­gasy. Efa maro ny tompon’andraikitra sy mpitantana sekoly no mikarakara hetsika ho fampahafantarana sy fampitia­vana ny kolontsaina malagasy ho an’ny mpianatra beazina ao aminy, isaky ny Taom­baovao Malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: