VAOVAO TAMBATRA

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny biby eto Madagasikara ireo lalantsara mampitohy ny ala. Ahafahan’izy ireo mifindra, mitady sakafo ary miteraka izany. Anisan’izany ny Comatsa any avaratra sy Amoron’i Onilahy, any Atsimo-Andrefana. Dinihina mandritra ny Cop17-UNCCD, any Mongolia ihany koa, ny fanarenana ny tany sy ny fiarovana ireo toeram-ponenana voajanahary.

Natao nandritra ny roa andro ny atrikasa momba ny fitantanana ireo fitaovam-panjonoana very, nariana na tsy azo ampiasaina intsony. Tafiditra ao anatin’ny paikadim-pirenena momba ny toekarena manga izany, ka mikendry ny hampihenana ny loto plastika sy hiarovana ny tontolo an-dranomasina. Miara-misalahy ao anatin’izany ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Kendrena ny hamolavolana vahaolana maharitra sy hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra rehetra.

Miisa 557 ny orinasa kaoperativa ao Itasy ary misehatra amin’ny fambolena ny 80%. Nivoitra ireo nandritra ny fanokafana ny hetsika Coop’Mketrika, omaly, tany an-toerana. Tanjona ny hampiroborobo ny orinasa kaoperativa sy hanamafy ny fandraharahana eny ifotony. Tafiditra ao anatin’izany ny hanomezana lanja ny vokatra eny an-toerana, ny famoronana asa ary ny hanohanana ny tantsaha.

Partager sur: