MESUPRES : Hampakatra ny laharan’ny oniversite sy ny voka-pikarohana malagasy

Efa miroso amin’ny fanatsarana ny voka-pikarohana sy ny laharan’ny oniversite eto Madagasikara ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Atao amin’ny alalan’ny fampidirana sy fampiasana ny Vovonana iarahan’izy ireo miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny CIDST izany.

“Mamokatra voka-pikarohana maro isika eto Madagasi­kara nefa tsy fantatry ny olona izany”, hoy ny tale jeneralin’ny Fikarohana ara-tsiansa, profesora Ratsimbasoa Arsène, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Tsimbazaza, omaly. Nambarany fa lasa manatevina ny fampakarana ny lenta sy ny haavon’ny oniversite any ivelany fotsiny ny voka-pikarohana eto amintsika, raha tena atao ny fandinihana. Ankoatra izay, laharana voalohany amin’ireo oniversite eto Madagasikara ny Oniver­si­ten’Antananarivo, raha ny fanasokajiana iraisam-pirenena lehibe toy ny EduRank. Ma­nodidina any amin’ny 4 000 hatramin’ny 5 000 eo kosa ny laharan’ny oniversite eto Antananarivo, raha oharina amin’ireo oniversite maro maneran-tany. Miditra any amin’ny faha-10 000 any ny toerany raha mivoaka ivelan’ny faritra, toy ny any Toliara.
Manoloana izany zava-misy izany, efa miroso amin’ny fanatsarana ny voka-pikarohana sy ny laharan’ny oniversite eto Madagasikara ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fampiana­ra­na ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Misy, araka izany, ny fampidirana ny “Plateforme”, izay natolotry ny sehatra tsy miankina mba hampakarana sy handaminana ny voka-pikarohana malagasy sy hanomezana lanja ny mpikaroka. “Hitady any ivelany ary hatao koa zara ary misy eto an-toerana”, hoy ihany ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa. Tanjona amin’ny fampiasana ity vovonana ity ny hampakarana ny laharan’ny oniversite eto an-toerana, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Iaraha-miasa

Misy zavatra mbola takina maro ao anatin’ny fanatanterahana sy fampiasana ity vo­vovana ity. Anjaran’ny mini­sitera ny manantanteraka izany. Iarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa misalahy amin’ny CIDST ny fahatomobanany. Mandrindra sy mametraka ny lamina rehetra mahakasika izany, amin’ny alalan’ny CIDST, ny eo ani­von’ny Mesupres. Nanamafy hatrany ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa, profesora Ratsimbasoa Arsène, fa miara-miasa amin’ny olon-drehetra ny eo anivon’ny minisitera mba hampandroso ny fikarohana eto Madagasikara, amin’ny fanajana ny lalàna sy ny fenitra izay napetraka.

Mino

Partager sur: