Notanterahina tao anatin’ny roa andro ny atrikasa fanamarinana ireo mombamomba ny toe-karena sy ny fiveloman’ny tokantrano eto Madagasikara, tao anatin’ny tetikasa “Fews Net 8 Base de connaissances”, miaraka amin’ny famatsiam-bolan’ny Chemonics. Niara-niasa tamin’ny BNGRC ho fanatanterahana izany ireo mpiara-miombon’antoka. Anisan’izany ny Adventist Development and Relief Agency Adra sy ny Welthungerhilfe, ny Fews Net.
Faritra miisa 24 sy fiveloman’ny mponina ao aminy no voakasiky ny fanadihadiana. Natao ny fifanakalozana sy ny asam-bondrona handinihina sy hanamarinana ireo vokatra azo. Hanamafisana fa mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony ny angon-drakitra. Ireo vaovao ireo izay hanampy amin’ ny fanatsarana ny fanairana mialoha sy ny fanadihadiana momba ny fanjarian-tsakafo.
Fiaraha-miasa hanampy amin’ny fanamafisana ny fahafahan’ireo mpisehatra mandray fanapahan-kevitra mifototra amin’ny angon-drakitra azo antoka no natao. Ho fanatsarana koa ny fiomanana sy ny fandraisana andraikitra manoloana ireo loza mety hisy fiantraikany amin’ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara.
Vonjy




