Hetsika Rohy : “Mila adihevitra ny firotsahan’ny mpitondra”

“Anisan’ny tokony hitondrana adihevitra ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena ny fiatrehan’ny mpitondra anke­hitriny ny hoavy: anisan’ireo hirotsa-kofidina, ho mpilalao amin’ny fifidianana ve izy sa anisan’ireo mpanomana ny sehatra mba hahazoan’ny rehetra mirotsaka ao anatina fifidianana madio sy mangarahara ?” Io ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra teknika ny hetsika Rohy, Andriamo­ra­niaina Harijaona, teny Amba­tonakanga, omaly, manoloana ny namoahan’ny FFKM ny tetiandro hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena hirosoana amin’ny fifidianana. Fanontaniana lehibe izay ary mety hitondra any amin’ny hoe: hisy demokrasia marina ho tafapetraka indray na tsia aorian’ny fifampidinihana nasionaly? Mba tena ho fihavaozana sy fanavaozana… Fa tsy izay indray no hiteraka korontana sy fihemoran’ny demokrasia eto Madaga­sikara.
Raha ny tetiandro hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, misy ihany ny fanantenana mahavelombolo. Efa zava-dehibe ny hoe tena fanombohan’izany amin’izay, ary narahina avy hatrany tetiandro tokony hotantera­hina. Fambara ny namoahana ny tetiandro fa hanomboka ny fikaonandoham-pirenena tarihin’ny FFKM. Na izany aza, ho tratra ve, ohatra, ny tanjona amin’ny volana mey 2027 no hivoaka ny fehinkevitra mandravona ny fikaonandoham-pirenena niainga tany amin’ny fokontany ka hatra­min’ny sehatra nasionaly? Ho vita ve izay hiatrehana ny dingam-pifidianana hoe hanomboka amin’ny jolay 2027? Ho ampy hahazoana mitondra ny fifanakalozan-kevitra sy ny fanapariahana ny fehinkevitra ve ny volana jona 2027? Din­gam-pifidianana avy hatrany ny volana jolay 2027. “Mam­pa­metra-panontaniana ihany raha tsy misy paikady sy enti-manana mazava sy matotra enti-manatanteraka ny fikaonandoham-pirenena”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: