FANTINA sy FINTINA

Dingana tsara ny fikaonandoham-pirenena, saingy tsy nahavaha ny krizy politika ny fikaonandoham-pirenena natao teto Madagasikara hatramin’izay, araka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Fahefa-mividy no ilain’ny Malagasy (FMI), Ratsietison Jean Jacques. Efa nisy fanapahan-kevitra voaomana mialoha ha­trany. Irariana mba tsy hitovy amin’izany izay hatao amin’­ izao, ary tokony ho voasolo tena amin’izany ny sokajin’olona rehetra.

Tsy ho ampy ny fito volana hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenana, hoy ny mpitarika ny vovonana RMDM, ny pasitera Tsarahame Edouard. Na izany aza, azo atao tsara ny manafaingana izany hanatrarana ny fe-potoana. Rehefa natomboka ny eo amin’ny sehatra nasioanaly, tokony ho notomboka
koa ny any amin’ny Faritany: iza no mpikarakara any amin’ny Faritany, Faritra, distrika, kaominina? Mila apetraka mialoha ny rafi-pitantanana rehetra.

Mila apetraka ny fiantsoana ny olona eny anivon’ny fokontany, araka ny fijerin’ny eo anoivon’ny vovonna Firaisankina, voafidy tany Faratsiho, Vaki­nan­karatra, Ramilison Nomenjanahary. Mba handray anjara amin’ny adihevitra eny anivon’ny kaominina, izay rafitra farany ambany, hitondrana ny adihevitra. Tsy hisy fakan-kevitra eny amin’ny fokontany, fa tsy maintsy manatona eny amin’ny kaominina izay manan-kevitra eny amin’ny fokontany.

Partager sur: