Pr Ratsimbazafy Jonah : Notolorana « Grand Officier de l’Ordre National »

Tsapan’ny fanjakana ny zava-bitan’ireo oloben’ny tontolo iainana eto amintsika. Izany no nahatonga ny teratany malagasy, Pr Ratsimbazafy Jonah sy ny teratany vahiny roa notolorana mariboninahi-pirenena, omaly.

Rariny sy hitsiny raha omena lanja ny olona sy mpisehatra nahavita ezaka lehibe ho an’ny fire­nena. Notontosaina omaly, teny amin’ny Lapan-panja­kana Ia­voloha, ny lanonana fankasitrahana ireo manampahaizana sy mpikaroka an­drarezina amin’ny fiarovana ny zavaboahary sy ny tontolo iainana. Teratany malagasy ny iray, ny profesora  Ratsim­ba­zafy Jonah Henri, mpahay ny varika, efa tsy zovina amin’ ny rehetra intsony. Samy nampiakarina ho “Comman­deur de l’Ordre National Mala­gasy” kosa ny Pr Steven Mi­chael Goodman sy ny Dr Rus­sel Alan Mittermeie. Nanome voni­nahitra manokana ity fotoana ity ny filohan’ny Fana­vaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël sy ireo Mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana efatra mirahalahy ary ny lehiben’ny mariboninahi-pirenena, ny je­ne­raly Ranjeva Marcel. Ni­todika manokana tamin’ny Pr Ratsimbazafy Jonah ny filoha. Niaiky ny lanjan’ny fikarohana nataon’ity profesora ity ny tenany. « Zava-dehibe loatra ny fikarohana nataonao. Tsy ho an’i Madagasikara ihany izany fa ho an’izao tontolo izao », hoy izy.
Nankasitraka manokana ireo vahiny roa mpikaroka ihany koa ny filoha Randri­a­nirina Michaël. Notsoriny, fa « mino izahay fa mijanona ho ohatra tsara ho an’ny mpikaroka sy ny mpisehatra amin’ny tontolo iainana maneran-tany ny zava-bitanareo ». Nisao­rany koa ireo mpiara-miombon’ antoka rehetra, sady nohamafisiny fa manohana azy ireo hatrany ny fanjakana. « Tsy firenena voaozona i Mada­gasikara fa notahian’Andria­manitra sady manana ny ha­siny ka tokony hokolokoloina mba ho afaka ipetraka ho modely ho an’izao tontolo izao », hoy ihany ny filoha.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: