Nanamarika ny filohan’ny Fanavaozana fa zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fampandrosoana. Nandritra ny fihaonany tamin’ny hery velona tao Sainte Marie no nilazany izany.
Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fampandrosoan. Io no anisan’ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, nihaona tamin’ireo hery velona tao Sainte Marie, Analanjirofo, afakomaly. Tamin’ny fihaonany mivantana tamin’ireo solontenan’ireo hery velona no niresahana ny amin’izay manahirana any an-toerana. Eo koa ny amin’izay ho tetikasa hampandrosoana an’i Sainte-Marie. Marolafy ny sehatra voaresaka, fa ny fizahantany no tena nibahan-toerana. Eo koa ny olan’ny tanora sy ny lafiny fanabeazana. Namaly avy hatrany izay azony novalina teo no ho eo ny Filoha. Na izany aza, nisy ireo tsy maintsy hodinihin’ny filankevitry ny minisitra, na hitadiavana famatsiam-bola.
Eo amin’ny fizahantany, nangatahin’ireo mpisehatra ny hamerenana ny sidina rezionaly mampitohy amin’i Maurice sy La Réunion, tapaka taorian’ny valanaretina Covid-19. Hodinihina toy izay namerenana ny sidina ifandraisana amin’i Kaomoro izany, raha ny valin-tenin’ny filoha. Olan’ny fanabeazana any an-toerana ny tsy fahampiana sy ny fahanteran’ny fotodrafitrasa. Koa hojerena ny hanorenana fotodrafitrasa ho an’izay mitsahatra amin’ny fianarana. Manahirana ny tanora ny fandraharahana: tsy ampy ny fahazoana fiofanana, manahirana ny lalàna misy. Sarotra ny fahitana asa noho ny tsy fisian’ny oniversite. Nanome toromarika hanamaivanana ny dingana harahina ny Filoha hahazoan’ireo tanora mivelatra amin’ny fandraharahana. Hojerena ny hanomezana tetikasa hanofanana azy ireo. Efa misy ny tetikasa “Fandroso” hamatsian’ny fitondram-panjakana vola ireo tanora manana tetikasa, nanokanana 200 miliara Ar.
Taorian’ny fihaonana, nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny “Festival Tsôlabe”, nanomboka omaly, ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël
R. Nd.




