Fanarenana ny firenena : Mitaky dinika madio ny Fitambolagnela

Nanao fanambarana ny antoko politika Fitambola­gnela fa miorina amin’ny fanarenana ny firenena no iorenan’ ny foto-kevitra ijoroany. “Mitaky dinika madio, marina ary tomponandrakitra, izay mametraka ny tombontsoam-pirenena ho ambonin’ny tombontsoan’ny olon-tokana na vondrona,  araka izany,  ny antoko. Fahavononana hio­va, andraikitra iombonana,  fahitsiana ary fifampitokisana. Ireo no ilaina amin’ny fanarenana”, hoy ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko,  ny profesora Razafindrandria­tsi­maniry Marie Dieu Donné Michel. Tsy azo atao,  hoy izy,  ny manangana ny hoavy vaovao raha tsy manaiky manitsy izay tsy mandeha, manavao izay efa lany andro ary mampifandray ny fanjakana sy ny olom-pirenena.
Tsy tokony ho sakana fa tokony ho hery hanorenana firaisankina nasionaly,  ny fahasamihafana. Tanjona ny fananganana an’i Madaga­sikara miroborobo, manana fiandrianam-pirenena, miray hina,  mifampitsinjo ary maharitra. “Mba ho vokatra mivaingana amin’ny asa, famokarana, fanabeazana, fahasalamana, fotodrafitrasa, fahafahana ara-toekarena. Ny fanavaozana ny rafitra,  fomba fitantanana, toe-tsaina,  mba hamerenana amin’ny laoniny ny fahombiazan’ny fanjakana sy fitokisan’ny fanjakana,  no fanarenana ny firenena”,  hoy hatrany ny profesora Razafin­drandriatsimaniry Marie Dieu Donné Michel.

Mi.Raz

Partager sur: