Vita sonia ny alakamisy teo, teny Ampandrianomby, ny fifanaraham-piaraha-miasa hampindramana gazoala 20 000 m³ sy hivarotana gazoala 40 000 m³ eo amin’ny orinasa State Procurement of Madagascar (SPM) sy ny vondron’ireo mpandraharaha amin’ny solika eto Madagasikara (GPM). Tanjona ny hampitombo ny tahiry sy hiantohana ny famatsiana manerana ny Nosy mialoha ny hahatongavan’ny sambo mpitondra soliky ny GPM.
Hiantoka ny famatsiana mandritra ny herinandro manerana ny Nosy ilay solika 20 000 m³. Zava-dehibe izany, indrindra amin’izao vanim-potoana mampitombo ny filàna izao. Kendrena ny hanànan’ireo mpaninjara rehetra tahiry. Tsiahivina fa niara-nigadona tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, herinandro vitsy lasa, ny sambo roa nitondra solika. Ny iray nitatitra soliky ny SPM, raha toa ka mpitatitra solika nafaran’ny GPM kosa ny faharoa. Natao laharam-pahamehana tamin’izay ny fampidinana ny solika tamin’ilay sambo voalohany ka nahatonga fahatarana tamin’ny fampidinana ny solik’ilay sambo faharoa. Vokany, nifampizara ny tahiry ny mpandraharaha mpitantana tobin-tsolika mba hiantohana ny tahiry sy hisorohana ny fiantraikany amin’ny mpanjifa.
Rafitra
Mitondra solika manodidina ny 50 000 taonina ilay sambo nafaran’ny mpandraharaha tsy miankina hanamafisana ny tahirin-tsolika eto amintsika. “Tanjona ny hiantohana fa misy ny gazoala”, hoy ny filohan’ny GPM sady tale jeneralin’ny Galana Madagascar, Marc Renauld. Ankilany, tsy hiova ny vidin-tsolika raha hanara-maso ny tsena kosa ny ofisy malagasy misahana ny Akoranafo (OMH). Marihina fa andrasana ho avy amin’ny herinandro ny sambo hitondra lasantsy hanohizana ny famatsiana.
Henintsoa




