Miantso ny mpiray tanindrazana hanakalo maimaimpoana ny vola rovitra na simba ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM). Vola taratasy manan-kery sy ara-dalàna ireo hatakalo, tokony ho feno mihoatra ny antsasany (+51%) ny faritry ny vola mba hahafahana manamarina azy. Mila hita mazava ihany koa ny laharam-pamantarana. Misokatra manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma ny BFM eny Antaninarenina sy ny masoivoho manerana ny Nosy, mitondrà karapanondrom-pirenena.
Miato vonjimaika sy mandalo fanaraha-maso ny fiaramadina iray ao amin’ny kaompania Madagascar Airlines, amin’izao fotoana. Manoloana izany, mety hikorontana ny fandaharam-potoana sy ny sidina ataon’ny kaompania, antony mahatonga azy ireo miantso fitoniana sy fiaraha-miasa amin’ny mpandeha.
Notanterahina ny 24-28 aogoasitra teo ny Electro-week. Hetsika nampirantiana ny fahaiza-manao sy famoronan’ireo mpianatra momba ny sehatry ny elektronika sy ny teknolojia niomerika. Nanohana ireo tanora mpisehatra ny CGHV, entina hampiroboroboana ny fahaiza-manaony sy ny toe-tsaina tia mpamorona ary ny fampahafantarana ny tontolon’ny siansa.




