Hotanterahina ny 1 ka hatramin’ny 3 septambra 2026 izao, eny amin’ny Gymnase Ankoay Ankorondrano, ny hetsika fampahanfantarana sy fanomezana torolalana ireo mpianatra afaka bakalorea amin’ireo karazana lalam-piofanana azon’izy ireo harahina raha hanohy fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony. Ny ZRK Événement no mpikarakara ny hetsika. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra, Zina Rakotoseheno, natao izao hetsika izao hiantsoana ireo mpianatra afaka fanadinana bakalorea sy ireo mpianatra efa mianatra eny amin’ny oniversite na koa manam-pikasana hanohy fianarana amin’ny ambaratonga ambony, na eto Madagasikara izany na any ivelany. Oniversite tsy miankina amin’ny fanjakana maherin’ny 30 no hiaraka hifarimbona amin’ny fanomezana torolalana ireo mpianatra momba ny lalam-piofanana mety sy mifanaraka amin’ny diplaoma tadiavin’izy ireo. “Maro ireo mpianatra no lany andro sy fotoana rehefa eny amin’ny sekoly ambaratonga ambony satria tsy mahalala ny lalam-piofanana mety amin’izy ireo”, hoy hatrany ny ZRK Événement. Mampiavaka ny hetsika ny fahitana ireo oniversite mpiara-miasa amin’ny mpikarakara. Ho hita, mandritra izany, ny fikarohana vitan’ireo mpianatra, toy ny drônes. Eo koa ny famelabelaran-kevitra arahina adihevitra momba ny tontolon’ny fampianarana ambaratonga ambony. Hisy koa ny “carnet de bord” hampahafantarana ny seha-piofanana arahin’ireo mpianatra. Izany hoe, fampahanfantarana ireo fiofanana mifanaraka amin’ny sehatry ny asa aorian’ny fianarana. Nanamafy rahateo ireo mpanohana sady mpiara-miasa amin’ny mpikarakara fa vonona hampahafantatra ireo fianarana mifanaraka amin’ny tsenan’ny asa, arakaraka ny mari-pahaizana ananan’izy ireo. Maimaimpoana rahateo ny hetsika, araka ny fanazavana hatrany.
Jean Claude




