Ravalomanana Marc – lisi-pifidianana: miantso ny vahoaka hisoratra anarana

“Mitaona sy miantso ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka aho mba handray andraikitra tandridy azy avy amin’ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy.” Io ny kabarin’ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tim, Ravalomanana Marc, teny Bel’Air Ampandrana, afakomaly. Tsy maintsy atao dieny izao ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Manomboka amin’izany ny fanomanana ny fifidianana sy ny fandraisana andraikitra ho an’ny firenena. Tsy raharaham-panjakana sy ara-taratasy fotsiny na azo ahemotra izany, fa zo sy adidy ary andraikitra.Tsy tokony hiandry ny fotoana farany, na ny hafa no hanao izany, na mieritreritra hoe tsy misy dikany ny anarana sy ny vaton’ny tena. Tsy ampy ny fisoratana anarana, fa tsy maintsy manara-maso… Mba hahazoana lisitra madio sy marina ary azo itokisana. Raha tsy izany, ho sarotra ny hahazoana voka-pifidianana eken’ny rehetra.
“Miantso ny Ceni hanatanteraka antsakany sy andavany ny andraikiny, ka tsy hitanila sy hanara-dalàna tsara ary indrindra hihaino ny feon’ny vahoaka eny ifotony”, hoy ihany izy. Mazava ny tanjona, lisitra madio sy marina no itokisan’ny vahoaka. Fifidianana mangarahara sy andraisan’ny rehetra anjara ary eken’ny rehetra. Tsy maintsy mitodika amin’ny tanjona iray ny rehetra: ny hamerenana eo an-tanan’ny vahoaka ny fahefana. Tsy maintsy miafara ara-pomba demokratika izay. Satria amin’ny maha firenena repoblikanina sy demokratika an’i Madagasikara, ny fifidianana ihany no fomba ara-dalàna hametrahana an’ireo mpitondra hitantana firenena. Amin’ny alalan’ny fifidianana mangarahara, azo antoka sy andraisan’ny rehetra anjara ary eken’ny rehetra no tsy maintsy hahazoan’ny vahoaka maneho ny safidiny malalaka.

R. Nd.

Partager sur: