Fanao politika

Tsy mitsahatra ny fitakiana etsy sy eroa ny tokony handravana ny Antenimierampirenena. Misy mitompo teny fantatra fa tsy maintsy ravana, hono. Izay hisy fahamarinan-toerana na filaminana politika, fitoniana politika… Tsy manana foto-kevitra na ideolojia mazava sy iainana itondrana ny raharaham-pirenena araka izay tandrify azy sy anjarany amin’ny maha solontenam-bahoaka azy ireo depiote na ny maro aminy: mivadibadika, tsy miorina tsara fa miovaova… Lasa mampiaka-peo koa ny depiote sasany fa tsy matahotra horavana, manao ny asany araka ny filan’ny vahoaka…
Lasa fifanasana lela ny raharaha? Na izay avo vava no amboninjato na heverina sy mihevi-tena ho marina… Mandra-pahoviana? Akory atao fa mbola izay aloha ny fomba fanaovana politika. Tsy misy ideolojia mazava, fa arakaraka ny zava-misy amin’izay heverina sy ataon’ny tena ihany no itenenana sy ihetsehana. Tsy mety ho kolontsaina mandeha ho azy eo amin’ny tontolo sy fanaovana politika ny fanajan-dalàna. Heverina ho ambonin’ny lalàna mandrakariva ny politika? Hany ka misy manao hitsin-dalana, manao bemarenina, mitompo teny fantatra, manamarin-tena…
Ny fomba fanaovana politika no antony? Tsy misy ideolojia amin’izay atao sy aleha, fa manaraka onja. Sakaizan’ ny mpandresy? Vao mainka izay hoe etika politika… Tsy mahamenatra ny sasany ny mandika lalàna, mitsipaka ny teny nomeny, tsy mahazo antoka izay hoavy fa mitsapatsapa lava, tsy mahazaka resaka… Mba firy, hono, no manana ideolojia politika, notaizana tamin’ny antoko politika, manana tanjona politika mazava ankoatra ny fitazonana na fitadiavana seza…? Izany rehetra izany, ady fiady amin’ny fikaoandoham-pirenena, raha tena hatao ny fanovana na fanavaozana? Ho hita eo amin’ny fanao politika…

R. Nd.

Partager sur: