Hitondra fanovana goavana eo amin’ny sehatry ny solika ny fanjakana. Hanohanana ny fampandrosoana ny toekarena, ny famatsiana ary hampihenana ny fanafarana any ivelany izany.
Hanavao ny politika fampiasana solika ny fanjakana, hiantohana ny famatsiana sy hampihena ny fiankinandoha any ivelany. Tanjona ny hisitrahan’ny faritra rehetra, lavitra sy saro-dalana, ny vokatra. Tafiditra amin’ny dingana fanatanterahana ny tetikasa ny hametraka tahirin-tsolika stratejika, izay hampiasaina raha misy ny olana amin’ny fitaterana na koa tapaka ny famatsiana, indrindra ny fiovaovan’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Hatsangana manaraka izay ny orinasa mpanadio solika. Hisy ny fanadihadiana ara-teknika hamaritana ny toerana hananganana ny fotodrafitrasa. Tanjona ny hanomezan-danja ny vokatra anatiny sy hampihenana ny vola mivoaka amin’ny fanafarana ny solika efa voadio. Ankilany, misokatra ho an’ny mpandraharaha rehetra mahafeno ny fepetra takina ihany koa ny tsenan’ny fanafarana, fitaterana, fitehirizana ary ny fizarana ny solika. Hojerena manokana ireo faritra mila fampiasam-bola manokana mba hisitrahany tolotra sy vokatra ara-kalitao sy ara-drariny.
Rafitra vaovao
Ankoatra izay, havaozina ny rafi-panaraha-maso. Ao anatin’izany ny fandrefesana ny tahiry. Hampiasa fitaovana niomerika ihany koa ny fanjakana hiantohana ny mangarahara sy ny famatsiana. Hampiroboroboina ireo solika hafa mba hiantohana ny fisitrahana angovo eto amin’ny firenena. Hampidirina ao anatin’ny fanavaozana hatao ny fepetra hentitra momba ny fiarovana ny tontolo iainana.
Henintsoa




