Natao omaly, teto Antananarivo, ny Fikaonandoham-paritra ho an’ny tetibola 2027, ho an’ny faritra Analamanga. Amin’ny ankapobeny, hatao laharam-pahamehana ny fanavaozana sy ny fananganana fotodrafitrasa ara-toekarena.
Tanterahina manerana ny faritra 24 ny Fikaonandoham-paritra ho an’ny tetibola 2027 mba handraisana ny filàn’ny mponina eny ifotony amin’ny fampandrosoana. Ho an’ny faritra Analamanga, nojerena ny tetikasa sy ny fanavaozana tena ilain’ ny vahoaka ho an’ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Tanjona ny hampifanaraka ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanambolam-panjakana amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Mandray anjara avokoa ny sokajin’ olona rehetra, ny olom-boafidy, ny voatendry, ny firahamonim-pirenena, ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika (PTF).
Nambaran’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola, ny Dr Ramiarison Herinjatovo, omaly, fa tsy maintsy jerena aloha ny vola miditra amin’ny fanjakana sy ny eny amin’ny faritra sy kaominina hahafahana mandrafitra ny tetibola.
Faritana ny laharam-pahamehana isaky ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (Faritra sy Kaominina) eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Atitany, sy ny eny amin’ ny Sampandraharaham-panjakana isam-paritra eo ambany fiahian’ny isaky ny minisitera. Nasongadiny fa anisan’ ny tena laharam-pahamehana eto Analamanga sy itovizan’ny faritra ny fanarenana ireo fotodrafitrasa ara-toekarena.
Fampidiran-ketra
Anisan’ny fidiram-bolan’ny fanjakana sy eny amin’ny faritra ny hetra. Nohitsin’ny minisitra Ramiarison Herinjatovo, fa iaraha-mahalala ireny fampahalalam-baovao, toy ny omen’ny Transparncy International, fa manjaka ny kolikoly eto amintsika. Ambany, tsy mihoatra ny 11% ny tahan’ny fampidiran-ketra miohatra amin’ny Harinkarena faoibe (PIB) eto Madagasikara, raha 15 hatramin’ny 18% ho an’ny firenena mitovitovy laharana fampandrosoana amintsika. Tsy maintsy harenina izany, araka ny toromariky ny filohan’ ny Fanavaozana ny Repoblika, ny amin’ny tsy handeferana mihitsy manoloana ny kolikoly.
Njaka Andriantefiarinesy




