Dingana lehibe eo amin’ny fampiroboroboana ny fambolem-bary eto Madagasikara ny famolavolana ny karazam-bary vaovao “Besalohy”. Vokatra azo avy amin’ny fiaraha-miasan’ny Foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana ny ambanivohitra (Fofifa) sy ny Japan International Research Center for Agricultural Sciences (Jircas) izy io. Tsara kalitao sy miavaka amin’ny endriny ary ny fofony ny vokatra avy aminy. Mifanaraka amin’ny toe-tany eto amintsika izy ka mandray anjara amin’ny famokarana vary marim-pototra sy maharitra, indrindra amin’ireo tanimbary tsy dia lonaka. Mahatratra 6 taonina isaky ny hektara ny vokatra ary azo ambolena amin’ny vanim-potoana rehetra. Ankilany, niara-nanatanteraka ny voka-pikarohana, nanomboka ny taona 2021, ny Fofifa sy ny Jircas ka anisan’ireo toerana nanaovana ny andrana ny tao Kianjasoa, Itasy, Toamasina, Ankazomiriotra. Tetikasa izay samy nahomby sy nahazoam-bokatra avokoa.
Vokatry ny teknika molekiolary amin’ny fanatsarana karazam-bary ny Besalohy. Nandalo dingana samihafa izy, miantoka ihany koa voka-bary any amin’ireo tany mantamanta sy tsy dia lonaka loatra. “Mihaino ny filàn’ny tantsaha sy mijery ny zava-misy izahay. Tanjona ny hanatsara hatrany ny vokatra azo”, hoy ny tale jeneralin’ny Fofifa, Pr Jean Michel Leong Pock Tsy, omaly, teny Antaninarenina, nandritra ny fampahafantarana ity karazam-bary vaovao ity. Ankoatra izay, manana tsingerim-piainana manodidina ny 3 volana ny vokatra ary azo ampiasaina ho ambioka indray.
Henintsoa




