Nentin’ny tetikasa GecBatan tany Anja sy Tsaranono, faritra Matsiatra Ambony, naka traikefa, ny fikambanan’ny Vondron’olona ifotony (VOI ) any amin’ny Nosy Sakatia, Nosy Be. Hitan’izy ireo maso ny fahombiazana amin’ny lafiny fampiroboroboana ny fizahantany ara-tontolo iainana.
Tanjon’ny tetikasa Gec-Batan ny hisian’ny fitantanana maharitra mitondra fampandrosoana ny Faritra arovana sy hisitrahan’ny mponina eny ifotony ny tombontsoa aterany. Anisan’izany ny any amin’ny Nosy Sakatia, kaominina sy distrika Nosy Be. Hanatanterahina izany no nitondran’ny tetikasa ireo Vondron’olona ifotony (VOI) sy ny kaomnina Nosy Be nijery ifotony ny fahombiazana sy ny traikefa vitan’ny vondrom-piarahamonina any Anja sy Tsaranono, distrika Ambalavao, faritra Matsiatra Ambony. Nanohana ity fidinana ifotony ity ihany koa ny Fitantanam-paritry ny tontolo iainana Diana, nosoloin-tenan-dRtoa Tsilialiva Diane Lilita, lehiben’ny sampandraharaha TGRN/Dredd Diana. Nambarany fa efa nisy famindram-pitantanana voalohany tamin’ ny VOI ny taona 2002. Nohavaozina hatrany izany, ary fanintelony izao, natao ny 15 jolay 2026 teo, ka maharitra 5 taona. Mampiavaka azy, hiditra lalindalina amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany ara-tontolo iainana izy ireo, satria manan-karena ara-boajanahary ny Nosy Sakatia.
Notaterin’ny filohan’ny VOI Sakatia, Ramatoa Be Elisa Laurie, fa « zava-dehibe ho anay ny fitsidihana natao tany Anja sy Tsaranono. Hita ny fiaraha-mientana sy ny firaisankinan’ireo mpikambana. Tsy ny famatsiam-bola loatra no maha maika fa ny fitantanana maharitra ho lovain-jafy ny harena voajanahary. Hifampizarako amin’ny mpikambana ao aminay ny torohevitra marobe azonay”.
Mihatsara ny fiainam-bahoaka
Niara-dia tamin’izy ireo koa ny ben’ny Tanàna lefitra voalohany any Nosy Be, Masaoudy Aly Amady. Nisaorany ny fanjakana nanome fitokisana indray ny VOI Sakatia. « Tsy an’i Sakatia irery anefa ny harena voajanahary fa an’i Madagasikara manontolo, ka mila fiarovana sy fitantanana mahomby. Mahasarika mpizahatany maro ny any Nosy Be, manatsara ny fiainam-bahoaka. Isaorako ny GecBatan nahafahana naka traikefa tany Anja sy Tsaranono. Fantatra ny fahasimban’ny tontolo iainana maneran-tany, nefa ny antsika mbola voakajy, toy ny any amin’ny Nosy Sakatia”.
Njaka Andriantefiarinesy




