Sy Ratolojanahary: “Mihen-kasina ny teny malagasy ka mila fanarenana”

Anisan’ireo tanora malagasy, fantatry ny maro ao amin’ny tambajotran-tserasera, i Sy Ratolojanahary. Raim-pianakaviana sy Mpanao gazety ary mpanabe an-tserasera, sady mpanoratra ny tenany. Nisy ny fanadihadiana natao taminy, omaly.

Gazety Taratra (*): Inona no nahatonga anao ho liana kokoa amin’ny teny malagasy nefa saika mandalina ny teny vahiny ny ankamaroan’ny tanora ankehitriny?

Sy Ratolojanahary (-) : Malagasy aho ka rariny raha tia ny teny malagasy. Anisan’ ny maha izaho ahy ary harena goavana ho an’ny taniko, iriko holovain’ny taranako. Ny taona 2003 aho no nanomboka nanoratra. Nahatsapa fa raha te ho matihanina amin’izany dia mila mifehy ny akora fototra, izay tsy inona fa ny soratra sy ny teny malagasy. Ny fahitako sy fahatsapako fa manomboka mihen-kasina ny teny malagasy no tena nahatonga ahy hanao fanamby fa mila harenina io faka ifaharan’ny maha Malagasy io. Tsy manome tsiny ireo tanora mirona kokoa amin’ny fianarana ny teny vahiny ny tenako. Tsy misy mampitia azy iroe ny lanja aman-kasin’ny tenintsika. Ny toe-tsaina tokony hahi­tsy kosa dia tsy sakana ho an’ny fianarana teny hafa velively ny fahaizana sy fahafehezana ny teny malagasy.

* Afaka manome ohatra ve ianao amin’ireo karazana teny fanaon’ny olona matetika nefa tokony hahitsy?
– Raha ny fiteny dia tsy misy fanitsiana tokony hatao be loatra, satria tsy mitovy ny fanoratra sy ny fiteny. Ny fiteny dia ny fahazoan’izay itenenana azy no tena zava-dehibe. Ny olana anefa, zary heverintsika ho fanoratra izy ireny ka miteraka fahadisoan-tsipelina na fahadisoam-pitsipika. Ny fahadisoana matetika averin’ny olona dia ny fampiasana ny “afaka” eo amin’ny toeran’ny “azo”, ny fampifangaroana ny tovana “-ina” sy “-ana”, ny fanakambanan-teny na fanambaran-teny, ny tsy fahafehezana ny feo “n” sy “h” ka misy ny tokony hasiana ireo feo ireo kanefa tsy asiana na ny mifanohitra amin’izany. Raha ny fahadisoana am-panoratana indray dia tena maro ka tsy ho voatanisa eto.

* Inona ny vina tianao hotratrarina aoriana kely ao?
– Betsaka ny vina tiana ho­tratrarina fa ny akaiky indrindra dia ny fametrahana Androm-pirenena ho an’ny te­nindra­zana, izany hoe, ny teny sy fiteny malagasy. Efa ni­fampi­resahako tamin’ny mpitantana sasantsasany ny momba azy io fa ho hitantsika eo ny fanatanterahana azy. Misy koa ny fikarohana sy tetikasa maro iarahako amin’ny namana (Racle, Haja, Mina, Rova…), amin’izao fotoana izao, ka fikasana ny hamoaka boky sy hamokatra fandaharana ary handrafitra rindrambaiko mom­ba ny teny malagasy atsy ho atsy. Ny tena lavitr’ezaka kosa dia ny fananganana ivontoeram-panandratana ny teny malagasy. Matetika mantsy rehefa miresaka ny teny malagasy isika dia ny kabary no heverintsika ho fomba enti-mifehy azy kanefa sehatra mampiasa ny teny malagasy ihany ny kabary fa tsy fianarana ny teny malagasy.

* Ny hafatra tianao hampitaina amin’ireo tanora malagasy ankehitriny?
– Ry tanora, isika no ankehitrinin’ity Madagasikara ity! Tsy afaka hiantehitra amin’ny taranaka ny firenentsika raha tsy isika no mampita ny fanilo any amin’izy ireo. Amin’ny maha ankehitrinin’ny taninjafy antsika dia adidintsika ny miaro sy mampivoatra ary manely sy mampita ny kolontsainy. Anisan’ny kolontsaina mamaritra ny maha izy antsika ny teny malagasy ka aza enti-miondrika na atao an-jorom-bala fa tiavo sy fehezo ary omeo lanja amin’izay atao. Ry tanora, raha tsy ianao no hanafy hasina sy hikolokolo ary ho sarotiny amin’ny teninao dia havela amin’iza? Raha tsy izao no hanaovana ny ezaka rehetra hanandratana ny maha izy antsika dia andrasana rahoviana?

Fitia Randria

Partager sur: