Nanomboka omaly ny fanamarihana ny Volana maneran-tany iadiana amin’ny aretina Alzheimer. Natomboka tamin’ny dinika torapo izany ho an’ny eto Madagasikara.
Toy ny firenena maro maneran-tany, manamarika ny Iray volana natokana iadiana amin’ny aretina Alzheimer i Madagasikara. “Fantaro ara-potoana ny aretina alzheimer. Raha hita soritra mialoha dia afaka mitsinjo kokoa” ny lohahevitra amin’izany. Maro ny hetsika hotanterahina, izay miompana amin’ny momba ny aretina sy izay mitovy aminy. Mikarakara izany ny fikambanana Alzheimer Masoandro Mody.
“Misy ny fifampizarana amin’ny olona rehetra liana. Voakasik’izany ny fambara, ny antony mampitombo ny mety hahazoana azy, ny maha zava-dehibe ny fitiliana, ny zava-misy iainan’ny marary sy ny fianakaviany”, hoy ny fanazavan’ny mpitantana ny fikambanana.
Maimaimpoana sy maro ny hetsika hatolotra mandritra ny volana septambra. Azon‘ny olon-drehetra arahina ao amin’ny pejy Facebook ny andinindininy. Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fifampizarana ny Firaisamben’ny zokiolona eto Madagasikara (Fizoma). Manampy amin’ny fampielezana sy fampitana ny hafatra fanentanana ao anatin’ny vondrona sy tambajotra misy azy izy.
Ahafahana mandray andraikitra
Hisantarana ny fanamarihana, hisy ny dinika torapo. Efa fanao isam-bolana izany. Iarahana amin’ny fianakaviana manana marary karakarain’ny fikambanana. Hotanterahina amin’ny sabotsy izao, eny amin’ny foiben’ny Fikambanana, eny Fenomanana Mahazoarivo izany.
Tanjona ny hahafahan’ny fianakaviana manana marary mizara ny olana mavesatra izay mianjady aminy isan’andro. Fotoana hahitany namana vaovao izay misedra olana mitovy ihany koa.
Efa ho 10 taona ny Fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody no manolotra maimaimpona ny dinika torapo. Ilaina ny fisoratana anarana ho an’izay handray anjara, indrindra ny manana havana marary.
Vonjy




