Samy manana ny kajiny sy ny laminy avokoa ny mpanao politika amin’izao fotoana izao. Ny azo ambara, efa mirona mankany amin’ilay fifidianana andrasan’ny maro ny henjana isan-tsokajiny. Ny goaikantitra efa lohalisitra, mihatihaty sy mirantiranty, eny amin’ny lohan’ny sehatra. Ny antoko na vovonana vaovao tarihin’ny tanora, tsy manaiky ho takona afenina koa. Samy milaza fa amin’ny heriny avokoa.
Ny tompon-tanàna, efa mampiharihary fa izy no mpitarika ny lalao. Mijoro ho mpanazatra, efa mampivondrona ny mpilalao. Mampiditra izay ho mpiantsehatra azo itokisana mandritra ny fifantenana atao eny an-dapa. Mifanindran-dalana ny dinika politika sy ny fitiliana izay ho mpiara-miombon’antoka. Sivana tena matihanina eo ambany fiahian’ny mpitsara iraisam-pirenena mihitsy izany. Vavolombelona tsy mba handainga.
Ny mpitazana ety amin’ny sisiny, indrindra ny klioban’ ireo mpanohana koa, tsy latsa-danja. Efa mitsangana ny karazana fikambanana, vononana, fikambanana na tambajotra lazaina fa mpiara-dalana amin’ny fanavaozana. Efa tafiditra any anatin’ny kajy isan-karazany mihitsy hatramin’ny mpifanandrina politika aza. Mijoboka ny mpanohitra, lasa mpanohana noho ny paipaikady tsy takatry ny sain’ny vahoaka madinika.
Raha ny kianja ilalaovana indray, toa manalasala, hatreto. Ny teo ihany ny eo. Tsy misy tombana na fanajariana sy fanatsarana. Handrasana ny havoakan’ny ampitso, aorian’ ny dinika sy fihaonambe isan-karazany. Ny lalàna hifehy ny lalao dia manahaka izay. Samy miandry fa gasy, ara-bakiteny! Ny raiamandreny am-panahy no tompon’ny lamina farany, mandra-pahafenon’ireo fehinkevitra hatolotra eny aminy.
Handrasana ny iafaran’ny “tetezamita” sy ny fitohizan-draharaha mifandraika amin’izany. Ny vahoaka malagasy rahateo, izay mpilalao fototra, tsy rototra amin’ny fainam-pireneny akory.
Mijanona ho mpitazana ny 99 % ny mponina. Mahavaka ny saina!
r.r




