Feno 50 taona ny orinasa Malto, sampan’ny orinasa Star Madagasikara. Mamatsy ny malta, akora avy amin’ny zavamaniry orge, ampiasain’ ny Star amin’ny fanamboarana ny zava-pisotro labiera ity orinasa ity. Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny fambolena sy ny famoronan-karena eto Madagasikara. Miasa any amin’ny faritra Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Amoron’i Mania ny Malto. Maherin’ny 20 000 ny tantsaha miara-miasa akaiky amin’izy ireo, mamboly ity akora fototra ity.
Nitsidika tany Antsirabe
ny delegasion’ny vondrona Castel, orinasa renin’ny Star, notarihin’ny Tale jeneraly (DG) Grégory Clerc, ny 1 sy 2 septambra teo. Fotoana nankalazana ny faha-50 taonan’ny orinasa. Nambarany fa « efa ela izahay ato amin’ny vondrona Castel no mino fa tsy ny fananganana ozinina ihany ny andraikitry ny orinasa indostrialy. Tanjonay ny hampivelatra ny lalam-pihariana manontolo, manomboka amin’ny fambolena, ny fanodinana hatramin’ny vokatra farany ».
Fitahirizam-bokatra vaovao
Notokanana ihany koa ireo toeram-pitahirizana vokatra lehibe (Silo) vaovao miisa 4, afaka mitahiry 8 000 taonina fanampiny. Afaka mitahiry vokatra 14 000 taonina, raha 6 000 taonina ny teo aloha. Nohamafisin’ny tale jeneraly fa mamaly ny filana izao fotodrafitrasa izao. Fampiasam-bola mamorona harena eto an-toerana, izay tohanan’ny fanjakana rahateo. Notolorana fitaovam-pianarana sy tafo fanitso ny EPP maromaro any amin’ ny toerana hiasan’ny Malto.
Njaka A.




