Hanorina orinasa mamokatra herinaratra, Spat Energie ny eo anivon’ny Orinasa mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat). Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PMLP-T, ka hananganana toby manokana hamokatra herinaratra 53 MW, izany. Hamatsy herinjiro izay ilain’ny seranan-tsambo sady hanampiana ny famatsian’ny Jirama sy ireo orinasa ao Toamasina ny tetikasa. Efa notinapaky ny filankevitry ny minisitra, ny zoma 28 aogositra teo izany, araka ny lahatenin’ny minisitry ny Fitaterana, Andrianavalona Herizo, nandritra ny fotoana nanombohana ny PMLP-T. Hanamboarana ny toerana fitobian’ny kamiao (Port Sec3) sy ny lalana fihodinana hampifandray amin’ny arabe migodana (voie rapide) sy ny seranan-tsambo izy io. Vinavinaina ho vita mialoha ny faran’ny taona 2026 ity fotodrafitrasa Port Sec 3 ity. Miisa
1 500 ny asa mivantana hiforona ary 8 000 asa ankolaka.
Manampy izany, notolorana taratasim-bola 10 tapitrisa Ar ho an’ny nanana trano hazo sy 20 tapitrisa Ar ho an’ny trano vato, ireo nahafeno fepetra. Onitra hanonerana ny fanalana ireo mponina tamin’ny tanin’ny Spat. Miisa 44 ny nahazo bokintany, 24 nahazo «acte de donation» ary 94 nahazo fanamarinana hikarakarana ny antontan-taratasy tsy mbola vita. Avy ao amin’ny Port Sec 3, nafindra any amin’ny Port Sec 2 ireo olona ireo. Nilaza ny tale jeneralin’ny Spat fa mitohy ny asa sosialy.
Sajo




