Vaovao tambatra

Nidina ny vidin’ny vary hafarana avy any ivelany. Nahatonga izany ny fampiatoana ny haba sy ny hetra alaina amin’ny fanafarana vary. Tafaverina ho 650 Ar ny vidin’ny iray kapoaka, ankehitriny, any amin’ny faritra Anôsy, ary 100 000 Ar ny iray gony. Manana tahiry 20 000 t any an-toerana. Nisy fidinany 5 000 Ar -7 000 Ar ny any Vakinankaratra. Lasa 110 000 Ar ny vidin’ny iray gony 50 kilao any Androy, raha 113 000 Ar teo aloha. Tsy mihoatra ny 120 000 Ar ny iray gony any Atsimo Atsinanana, raha 125 000 Ar teo aloha.
Mitohy manerana ny faritra ny Fikaonan­doham-paritra momba ny Tetibola (CBR). Nahavita ny azy koa ny tany Melaky sy Sofia, omaly. Toraka izany koa ny an’i Diana sy Sava. Fotoana nifampidinihana sy nandraisana ny sosokevitra momba ny filana eny ifotony, entina handrafetana ny Tetibola 2027. Nandray anjara avokoa ny solontenan’ny tantsaha, ny mpandraharaha, ny fiarahamonim-pirenena any an-toerana, nikaroka ny fomba hizorana any amin’ny fampandrosoana ara-toekarena.
Misanda 4 931 Ar ny 1 euro, omaly 3 septambra. Nidina kely io sanda io raha oharina ny tamin’ny
20 aogositra, izay nahatratra 4 970 Ar. Niakatra kely ho 4 327 Ar kosa ny 1 dolara, omaly, raha 4 301 Ar ny
20 aogositra teo. Izany hoe, nahazo aina kely ny sandam-bola Ariary raha oharina amin’ny euro, fa nihen-danja kosa raha oharina amin’ny dolara. Miankina amin’ny filana vola vahiny, euro na dolara, no mahatonga io fiovaovan’ny sandan’ny Ariary miohatra amin’ny vola vahiny io.

Partager sur: