Hotanterahina eto Madagasikara, ny 30 sy 31 oktobra, eny amin’ny CCI Ivato, ny Congrès dentaire de l’Océan indien (CDOI), andiany voalohany. Fihaonambe hivondronan’ny mpitsabo nify eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo matihanina sy ny fampiasana ireo teknolojia vaovao eo amin’ny fitsaboana ny hetsika hatao. Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny CDOI, noho izy manome sehatra ho an’ireo Malagasy mpitsabo nify, hifanakalo hevitra amin’ireo mpisehatra eto amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Miisa 3 000 ny mpandray anjara avy eto an-toerana hanatrika ity fihaonambe ity, raha maherin’ny 300 isa kosa ireo andrasana avy any ivelany. Hisy ny fandraisana anjaran’ireo matihanina iraisam-pirenena maherin’ny 20. Mihoatra ny 40 kosa ireo tranoheva hampiranty sy hampahafantatra ny tontolon’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava eny an-toerana.
Teknolojia
«Lohahevitra amin’ny CDOI andiany voalohany ny Sourire demain, izay hiantohana ny fitsaboana sy ny fahasalaman’ny nify », hoy ny filohan’ny Association dentaire malagasy (ADM) sady mpikarakara ny hetsika, Raboana Nadia. Horesahina mandritra izany ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA). Tanjona ny hampahafantarana ireo matihanina ny tolotra sy ny tombony azo avy amin’ny fampiasana ny teknolojia. Ankilany, «hampivondronana ireo mpisehatra marolafy amin’ny fitsaboana nify sy ny ativava ny kongresy», hoy ny tale jeneralin’ny Nexacom, sady mpikarakara ny hetsika ihany koa, Randrianantenaina Hasina. Tanjona, hoy izy, ny hametrahana an’i Madagasikara ho ivon’ny fifanakalozana, fikarohana siantifika ary fanofanana momba ny fitsaboana nify sy ny ativava aty amin’ny ranomasimbe Indianina.
Marihina fa natokana ho an’ny fizahantany ny 1 novambra, ka hahafahan’ireo mpandray anjara mahita ny hakanton’ny faritra sy ny kolontsaina malagasy.
Henintsoa




