Sombim-baovao

Hiditra amin’ny manasa-dalana, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja basikety sokajy, U20, lehilahy sy vehivavy. Fihaonana tanterahina any amin’ny Kianja mitafo Andrainjato, Matsiatra Ambony izany. Tsiahivina fa hifarana rahampitso ity fifaninanam-pirenena ity.

Hiavaka ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby « XXL Top 12 », ny alahady ho avy izao, etsy Andohatapenaka. Hisy ny fampisehoana «Showcase » iarahana amin’i Tsota. Marihina fa hiady ny anaram-boninahitra amin’ity ny Cosfa sy ny Uscar.

Hanatanteraka fivoriana fampahafantaram-baovao, etsy Tsiadana, amin’ity sabotsy ity, ny Fede­ration Sport-boule malagasy (FSBM). Azo antenaina fa fotoana hitondran’ny filohan’ny Federasiona fanaza­vana mahakasika ireo disadisa isan-karazana misy ao anatin’ny tontolon’ny tsipy kanetibe amin’izao fotoana izao izany.

Partager sur: